Tombanana hilatsaka ambany dia ambany ny maripana manomboka anio alakamisy hatramin’ny sabotsy 23 jolay izao, raha ny tombatomban’ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro.
Mety ho tafidina hatrany amin’ny 0°C, ary mety ho ambanin’izany, tahaka ny any Faratsiho, Antanifotsy,… izay isan’ny mangatsiaka indrindra eto Madagasikara. 5 hatramin’ny 8°C mitaha amin’ny mahazatra kosa ny mety ho fidinany any amin’ny faritra hafa. Ny maraina anefa no tena hahatsapana ny hatsiaka, ka tokony hitandrina ny rehetra, indrindra ireo manana olana ara-pahasalamana tahaka ireo manana areti-mitaiza. Hiverina ho maina amin’ny ankampobeny ny atoandro, ka eo amin’ny 20°C eo ny maripana ambony. Ny 06 jolay no nidina hatrany amin’ny 1°C, izay nisian’ny endrika ranomandry tany amin’ny faritr’I Fratsiho. Tamin’ny 2013 no nisy hatsiaka ambany be satria nidina hatrany amin’ny -2°C.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.