Actualités

Maripana 2°C ao Faratsiho Mangorom-potsy ny ranonando


  • Alakamisy 07 Jolay 2022

Tena mamirifiry tanteraka ny hatsiaka eto an-drenivohitra. Na izany aza mitondra faisana kokoa ireo mponina any amin’iny Faritra Vakinankaratra iny.

Ho an’ny distrikan’i Faratsiho manokana dia fantatra fa tafidina 2°C ny maripana omaly Alarobia tao Ambatondradama. Niloko fotsy toy ny ranomandry mihitsy ny tanimboly amin'ny sisin-dalana vokatr’izany. Mahita faisana ihany koa ny mponina amin’ny resaka fahasalamana. Ankoatra ny tongotra vakivaky vokatry ny hatsiaka mantsy dia mamely mafy ihany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery. Ireo ankizy madinika no tena mitondra faisana hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT