Actualités

Marika «Chonghong» Mifanenjika ny samy Sinoa


  • Talata 24 Mey 2011

Nosavain’ny ladoany teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny entan’ny tranombarotra sinoa iray, omaly alatsinainy 23 mey.

 Naharitra ora dimy sy sasany, teo anelanelan’ny tamin’ny 11ora hatramin’ny 04ora sy sasany tolakandro, ny fisavana, izay faharoa satria efa tamin’ny 18 mey 2011 ny fisavana voalohany, araka ny fangatahan’ny filoha tale jeneralin’ny tranombarotra Baolai, Ren Yu Jie. Mitaraina ity farany, ny 18 mey lasa teo, fa manafatra entana marika «Chonghong» io orinasa sinoa io. Narahiny fitoriana teo anivon’ny fampanoavana teto Antananarivo izany ny 20 mey. Fahitalavitra «LCD» no tena nahiana fa mitondra ity marika «Chonghong» ity. Nahitana io karazana fahitalavitra io miisa 153 tao anaty entana nandritra ny fisavana natao omaly saingy tsy misy nitondra io marika iadiana io na iray aza, fa fitaovana fanodinana ranom-boankazo, tamina baoritra niisa 15 no nahitana.

Nanomboka tamin’ny fahafantaran’ny Baolai fa misy kaontenera iray an’io orinasa sinoa io misy fitaovana mitondra ny marika amidiny, nefa ny taratasy laharana 0710/DG/SMK/2003 navoakan’ny OMAPI milaza fa ny Baolai ihany no afaka manafatra sy mivarotra ny marika “ChongHong” eto Madagasikara, ary hamafisin’ny taratasin’ny foiben’ny «Chonghong» tamin’ny 01 febroary 2010 izay manan-kery hatramin’ny 01 febroary 2015. Ankoatra ny ladoany nanao fisavana, dia miditra an-tsehatra amin’ny raharaha mampifanolana ny samy Sinoa ity koa ny DST. Nisambotra sinoa roalahy irak’ilay tranombarotra nanafatra entana izy ireo taorian’ny fahatongavany tao Toamasina ny sabotsy 21 mey teo. Nentina teo anivon’ny Kaomisarian’i Toamasina I izy ireo, nanaovana fanadihadiana. «Fanaovana hosoka sy fampiasana marika ara-barotra hosoka no hanenjahana azy ireo», hoy ny DST. Hitohy eo anivon’ny fitsarana eto Antananarivo ny raharaha. Taorian’ny fisavana ny entana ihany koa, dia nogiazan’ny DST ireo entana tao anaty baoritra nisy ny marika “ChongHong”. Hogiazana ihany koa aloha ireo fahitalavitra LCD niisa 153, hahafahana manohy ny fanadihadiana.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT