Actualités

Marc Tatandraza Dahalo niova fo, nijoro vavolombelona


  • Sabotsy 03 Aogositra 2013

Taorian’ny Apostoly Tsaratsara dia nijoro vavolombelona indray i Marc Tatandraza, lehiben’ny dahalo avy any amin’ny Faritra Androy amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.

Rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny tenany, izany hoe efa nahita ny tany an-danitra niatrika fitsarana ary nahita maso ny Paradisa sy ny afobe izay voalazan’ny Soratra Masina, araka ny fitantarany dia mitondra ankehitriny hafatra lehibe ho an’i Madagasikara. Ny votoatin’izany teny nomen’i Jesosy Kristy ho an’ny Malagasy tsy an-kanavaka izany manomboka amin’ny mpitondra manam-pahefana, mandalo amin’ireo raiamandreny am-panahy, indrindra ny vahoaka manontolo dia ny hoe : «Mila mibebaka ary mila mandray an’i Jesosy Kristy amin’ny fomba haingana dia haingana ny olona rehetra eto Madagasikara satria tsy eken’ilay Mpahary intsony ny asan’ny ratsy izay niezaka namaha ny olana misy ka ankehitriny dia mitodika amin’i Madagasikara i Jesosy izay firenena masina ary firenena voafidy».

Noraisiny ohatra mazava ny zava-misy iainan’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoana izao izay misafotofoto tanteraka ka nambaran’i Marc Tatandraza fa efa maro ireo olona novain’i Jesosy fo mitondra ity hafatra fibebahana ilain’ny vahoaka malagasy ity. Raha tsy tanteraka ny teny nampitondrain’i Jesosy Kristy eto amintsika dia ho potika sy ho rava ny firenena malagasy, hoy ihany ny fanampim-panazavana nomen’ity olon-dratsy niova fo ity. I Marc Tatandraza dia mpimasy na ombiasy, sefon’ny dahalo, mpanao «magie noire» ary lehiben’ny mpamosavy ny tenany teo anelanelan’ny taona 2005 hatramin’ny 2007. Ny 29 septambra 2007 kosa izy no niditra am-piangonana voalohany.

Efa in-droa maty ny tenany, araka ny fitantarany ka ny 6 oktobra 2007 ny voalohany ary 24 jona 2012 ny faharoa. Taorian’io dia tsy nitsahatra nitety ireo faritra maro manerana ny Nosy an-tongotra ny lehilahy mitondra ity hafatra fibebahana ho an’ny olon-drehetra eto Madagasikara avy amin’i Jesosy Kristy ity ary anisan’izany ny eto an-drenivohitra amin’izao fotoana izao ary mbola hitohy amin’ny toeran-kafa. Omaly, teny amin’ny La Rotonde, moa no nitondrany ity fanazavana sy fampahafantarana ity.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT