Marc Tatandraza

> Hisy ra mandriaka eto raha tsy mibebaka ny mpitondra


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013

Hisy ra mandriaka eto Antananarivo raha tsy mibebaka ny mpitondra, hoy i Marc Tatandraza ilay dahalo niova fo sy mpilalao sampy avy any Ihorombe.

Tsy eken'Andriamanitra intsony ny fanenjehana fivavahana izay ifanaovan'ny mpino sasany sy ny fampahoriana ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Ankoatra izay dia nitondra hafatra ho an'i Madagasikara amin'ity taona 2013 ity ihany koa ny tenany omaly toy ny hoe : hanorina fanjakam-pisorona eto amin'ny firenentsika Andriamanitra ary hamoaka antsika ao anatin'izao krizy lavareny lalovan'ny firenena izao. Hivoaka ho mpandresy isika raha manaiky ny hifidy an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy antsika, hoy i Marc Tatandraza. Araka ny fijoroana vavolombelona nataony dia in-droa maty i Marc Tatandraza. Tamin'ny 06 Oktobra taona 2007 ny voalohany tamin'ny fotoana naha dahalo azy ary tamin'ny 24 Jona taona 2012 kosa ny faharoa izay fotoana nanendren'Andriamanitra azy mba hanala baraka an'i Satana, hanohitra ny asany ary hitory an'i Kristy eran'izao tontolo izao.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT