Misy ny fanantenana fa indray andro any dia ho foana ny asan-dahalo eto Madagasikara ary dia handry fahalemana ity Nosy ity. Maro ny zava-mahagaga miseho tato ho ato. Any Melaky dia dahalo niova fo, i Foara, no mampanjaka ny fandriampahalemana raha nametraka ny dinan’i Melaky.
Mbola dahalo niova fo koa ny Apostoly Tsarasara, izay manentana ny olona hibebaka sy hitodika amin’Andriamanitra rehefa nandray an'i Jesosy Kristy. Mijoro vavolombelona ihany koa ankehitriny i Marc Tatandraza, fa in-droa natsangana tamin’ny maty ary mitety an’i Madagasikara ankehitriny mitaona ny Malagasy rehetra tsy ho varimbariana fa hanolo-tena ho an’Andriamanitra, hanavotana ny firenena. Antandroy i Marc Tatandraza. Enina mianadahy izy ireo no iray tampo, ary izy no lahimatoa. Mpiandry omby aman’osy no nibeazany. Araka ny filazany dia nandova karam-panafody gasy anarivony izy tamin’ny taona 2005 ary lasa mpimasy. Herintaona taorian’io dia lasa sefon’ny dahalo mpangalatra omby tany Bekily izy. Vao maika niitatra ny asa ratsiny nony taty aoriana rehefa nanao fifanarahana tamin’ny Satana ka lasa lehiben’ny mpamosavy. Ny 29 septamba 2007 no nivadika ny pejy.
Vehivavy no nataon’Andriamanitra hamonjy ahy, hoy i Marc Tatandraza. Io vehivavy io no nitarika azy hiditra am-piangonana. In-droa nandalo fahafatesana izy taorian’io, dia ny 06 oktobra 2007 sy ny 24 jona 2012. Efa tany amin’ny fiainan-tsy hita no natsangana indray ary nahazo iraka hampita hafatra fa mila manaiky an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany ny olona tsirairay ; hitory ny teny sy hampiray ny fiangonana mba hifankatia ary handrava ny asan’ny devoly manerana izao tontolo izao. Resy lahatra Atoa Randrianasolo Francois, Mpilalao baolina tao anaty fikambanana satanika, fa iraka tokoa i Marc Tatandraza noho ny fahitana azy mitory ny fahamarinana ary manentana ny tanora mba hivavaka. Betsaka ny olona tsy mino izany paradisa sy helo izany no resy lahatra ankehitriny, hoy Rtoa kely Miarantsoa Rachel Fanjaniaina, rehefa nahita an’i Marc Tatandraza, mbola tanora nefa sahy mijoro manambara toriteny tsy misy kilema ary iraka lehibe amin’izao andro farany izao.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.