Actualités

Marc Ravalomanana Tsy nanafina ny alahelony


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011


Teo anatrehan’ireo mpanao gazety vahiny maro tonga nanaraka ny fiaingan’ny filoha Ravalomanana no nilazan’ity farany ny alahelony tamin’ny tsy namelana azy hiverina an-tanindrazana. Tsy nanao ratsy tamin’ny fireneko aho, ary zoko amin’ny maha olom-pirenena Malagasy ahy no miverina an-tanindrazana, hanarina ny demokrasia, ary hikatsaka vahaolana hivoahana amin’izao krizy lalina mampahory ny vahoaka izao no hiaviako kanefa sakanana.

Nasehony ho hitan’ireo mpanao gazety iraisam-pirenena maro tonga tao amin’ny seranan’i Johannesbourg, tokony hiaingany, ny taratasy nosoniavin’ny Tale jeneralin’ny ACM, Ratsirahonana Mamonjisoa Wilfrid, araka ny baikon’ny FAT, tsy mamela azy hiverina eto Madagasikara. Na teo aza anefa ny alahelo, dia tamin’ny teny feno fanantenana no nanamafisany sy nilazan’ny filoha Ravalomanana fa hitady ny fomba rehetra hiverenana eto Madagasikara ny tenany ka hifanatri-tava sy hifankahita amin’ny vahoaka Malagasy tsy ho ela. “Minoa fotsiny ihany” hoy izy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT