Actualités

Marc Ravalomanana Tsy nanadino ireo niharam-boina tao Soanierana Ivongo


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011


 “Amin’ny maha Malagasy antsika sy noho ny fahendrentsika Malagasy ary amin’ny maha kristianina antsika, dia mankahery ireo niharam-boina noho iny loza an-dranomasina namoizana ny mpiray tanindrazana tao Soanierana Ivongo ny tenako sy ny fianakaviako ary ireo Malagasy voatery nitsoaka an’i Madagasikara noho ny olana ara-politika nitranga. Tsy maintsy mitraka anefa isika, fa tsy afaka ny hitanondrika, ka mankahery sy mitondra fiononana ho an’ny fianakavian’ireo namoy havan-tiana, indrindra ny fianakavian-dRtoa Nadine Ramaroson. Mirary fahasitranana haingana sy fitrakana kosa ho an’ireo nanana ny naratra sy velon’aina soa aman-tsara”.

Izay no nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana tao Toamasina raha niditra an-tariby mivantana avy any Afrika Atsimo, nandritra ny hetsiky ny Rodobe teo an-tokontanin’ny Magro Tanambao V ny sabotsy teo, nitondra teny fampiononana sy fankeherezana ny fianakavian’ireo niharam-boina tao Soanierana Ivongo farany teo. Tsy nanadino koa ny tenany nisaotra ny Malagasy rehetra nampiseho fa fianakaviana iray ihany ny Malagasy na eo aza ny hevitra tsy itovizana eo amin’ny lafiny politika.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT