Actualités

Marc Ravalomanana Hanorina asa maro ho an’ny Malagasy


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Samy mahatsikaritra ny maro tato anatin’ny roa herinandro izao fa manomboka hita eny amin’ireo “épicerie”

maro eto Antananarivo Renivohitra sy ny faritra manodidina azy ny vokatra Tiko toy ny dibera, yaourt ary tsy maintsy mbola ho avy ny vokatra manaraka efa nahafantarana ity orinasa ity.

 

Na dia eo ary ny sakana ataon’ny fanjakana  dia miezaka hatrany i Marc Ravalomanana hanokatra ny orinasany izay marihina fa norobaina sy nopotehana tamin’ny 2009 kanefa nampiasa olona mivantana miisa 5000. Ezahana ny hamerina tsikelikely ny fihodinan’ny ozinin’ny Tiko rehetra, efa mandeha ihany koa ny fanomanana ny fanokafana ny Magro any amin’ny faritra toa an’i Toamasina, Toliara ary Antsirabe. Noho ireny korontana sy sazy nahazo ny firenena ireny dia maro tamin’ny Malagasy no very asa nanomboka tamin’ny 2009. Izany dia noho ny nahavery ny Agoa (tsenam-barotra mankany Amerika) fa teo koa ny tsy nisian’ireo fotodrafitrasa izay niteraka asa maro teto amintsika noho ny nanafoanan’ny mpamatsy vola ny fanampiana teto. Marihina fa ireny olona maro very asa ireny no antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Maro ireo sahirana fa tsy haharaka ireo mpitandro ny  filaminana fa tsy maintsy any amin’ny antony fototra no mila vahana mivantana. Mila asa mba hivelomany ny olona. Raha tany amin ny firenen-kafa dia nomena fanampiana ny orinasa Malagasy tahaka ny TIKO mba ahafahana mampihena ireo fanafarana entana no sady mety hampitomboana fanondranana ihany koa. Zava-mifanohitra anefa no miseho, na omena vahana ny vahiny (Karana, Sinoa, Frantsay) na finganina sy atao antsojay ny mpandraharaha Malagasy.

 


 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT