Marc Ravalomanana

> Namoy an’i Bebe Razay rafozam-baviny


  • Sabotsy 05 Oktobra 2013

Nodimandry omaly tamin’ny fiandohan’ny tolakandro teo amin’ny faha-83 taonany Ramatoa Razaiarivelo Hermine na i Bebe Razay araka ny ahafantaran’ny maro azy.

Izy dia reny niteraka an-dRtoa Ravalomanana Lalao Harivelo teraka Rakotonirainy, vadin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tany am-panaovana fampielezan-kevitra any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ho fampandaniana ny kandida Dr Robinson Jean Louis i Neny omaly no nidona ny loza. Efa nolazoin’aretina am-bolana maro Bebe Razay. Nampidirina hopitaly maika tao amin’ny klinikan-dry masera Ankadifotsy izy tamin’ny fiandohan’ny volana febroary. Nangataka ny mba hifankahita amin’ny zanany vavy Lalao Ravalomanana izy mialoha ny nidirany ao amin’ny efitra fameloman’aina tamin’izay. Na teo aza ny sakantsakana samihafa nataon’ny fitondrana dia tonga an-tanindrazana Rtoa Lalao Ravalomanana ny talata 12 martsa 2013, ary nihazo avy hatrany ny Klinika Ankadifotsy nitsaboana an’i Bebe Razay. «Tsy mahafantatra ahy akory i Neny. Tena nalahelo mafy aho fa tsy nampoiziko ho toy izao ny toe-pahasalamany», hoy ny vadin’ny Filoha teo aloha raha nivoaka ny efitrano. Voalaza fa nifampijery minitra vitsy izy mianaka ary niverina nanakimpy maso Bebe Razay tamin’io. Nitohy teny an-tranon’ny filoha mivady eny Faravohitra ny fitsaboana azy sady toerana namoizany ny farafofon’ainy. Nahita maso ny fahavoazan’i Bebe Razay teo am-pandriana ireo iraky ny SADC tarihin’i Joaquim Chissano tonga nitsidika an-dRtoa Lalao Ravalomanana. Izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT