Tonga teny amin’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana, nitondra ny anjara fanampiana ho an-dRandrianarivelo Hasambarana Valencia sy ireo ray aman-dreniny, omaly alahady 13 aprily, ireo mpiara-miasa amin-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny Filoham-pirenena.
Hasambarana Valencia dia zazakely vao valo volana monja izay marary mafy tratran’ilay aretin’aty antsoina hoe «cirrhose du foie». Efa enim-bolana izy io no narary fa vao 22 andro lasa izay vao tonga tao amin’ny hopitaly militera etsy Soavinandriana.
Nanao ny antso avo tamin’ny haino aman-jery ireo ray aman-dreniny. Rehefa naheno izany Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina dia nahatsapa fa zava-dehibe ny mitondra fanampiana ho an’ity zaza ity. Manentana hatrany ny tenany ny amin’ny fanampiana ireo ray aman-dreniny, izay mbola mpianatra, ka manana fahasahiranana amin’ny fitsaboana tanteraka ny zaza. Marihina fa mbola mitohy hatrany ny antso avo ho an’izay malala-tanana mba ahafahana mitsabo an’i Hasambarana kely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.