Actualités

Marais Masay Nisy fipoahan-javatra nandritry ny fandalovan-dRajoelina


  • Zoma 04 Martsa 2011

Omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo no nisehoan’ity tranga ity tetsy amin’ny Marais Masay.

Nandritry ny fandalovan’ny kortezy nitondra an-dRajoelina hody any Ambatobe no nisy zavatra nirefotra tampoka niainga avy tany ambadiky ny arofanina amin’iny sisin-dalana iny. Nisy «fil» mpitondra herinaratra lava tazana tamin’ilay toerana, ka io no tombanana voalohany fa nibaikon’ireo tompon-kevitra nanao ilay fanapoahana. Heverina ho tany amin’ny 200 metatra niala teo amin’ilay toerana nisian’ny fipoahana no nobaikoina ilay izy. Teo amin’ilay fiara tsy laitram-bala izay nitondra an-dRajoelina mihitsy no nirefotra izany.

Tsy nisy aina nafoy, na naratra na fahasimbana taorian’izany. Tsy nijanona rahateo ny fiara nitondra an’i Andry Rajoelina, ary voaatitra soa aman-tsara tany an-trano fonenany izy. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny praiministra Camille Vital sy ny mpitandro ny filaminana marobe taorian’izay. Efa misy ny fanadihadiana nosokafana ary nilaza io tompon’andraikitra ambony io fa hatao izay hahitana izay tompon’antoka amin’ity “fikasana hamono olona” ity. Ny harivan’ny alarobia 2 desambra 2009, tamin’ny ora mitovy amin’io teny Marais Masay omaly io, tsiahivina ihany dia nisy nitifitra teo Anosisoa ny kortezy nitondra an’i Andry Rajoelina, raha iny avy nanao fitsidihana tany Antsiranana iny izy, ka nandray ny lalana Ambodimita – Ambohimanarina. Inona avokoa izany rehetra izany ?

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT