Actualités

Manohitra didy jadona Nidina an-dalambe ireo “dockers”


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Nanao filaharambe niainga tao amin’ny foiben’ny Sendikan’ny mpiasa an-dranomasina Malagasy ao Tanambao V, omaly, ireto “dockers” miasa ao amin’ny orinasa SMMC notronin’ireo mpiasa an-dranomasina mivondrona eo anivon’ity Sendika ity, nihazo ny manoloana ny biraon’ny Faritra Atsinanana ary nitokona teo anoloan’ny birao misy ny SMMC Ampasimazava.

 Tsy zakan’ireto sendika ireto ny didy jadona sy tsy refesi-mandidy ao an-toeram-mpiasana, ka nahavoaroaka mpiasa, ary koa ny sakana tsy nahatafatsanganana sendika mihitsy eo anivon’ny orinasa. Nohamafisin’izy ireo fa tsy hijanona ny fitokonana sy ny fidinan’izy ireo an-dalambe, raha tsy efa mamoaka taratasy mazava ho fananganana ny sendika eo anivon’ny orinasa tahaka ny eo anivon’ny orinasan-dranomasina hafa, ny eo anivon’ny SMMC. Ankoatra izay, dia re fa namoaka basy poleta ny tompon’andraikitra iray ao amin’ity orinasa ity, nentiny nandroahana ireo mpanao fanazarantena teo anivon’ny kianja monisipalin’i Toamasina ny talata tolakandro teo. Voalazan’ireo niharany, fa tsy ilainy misy olon-kafa manao fanazarantena eo amin’ity kianjan’ny Kaominina ity, satria “izy, hono, no nanamboatra ny bozaka sy nanatsara ny kianja ka tokony ho ny ekipa izay tantaniny dia ny Tamatave Formation Club (TFC) ihany no afaka mampiasa izany, ary mila mangataka alalana aminy ireo te hanao fanazarantena eo”. Milaza ny hitory mikasika ity raharaha ity ireo niharany ary handray fepetra amin’ny fananany ny Kaominina satria ho an’ny rehetra ny Stade fa tsy an’ny TFC irery ihany.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT