Actualités

Mangatsiaka mafy ny andro Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny manasara-taona isika


  • Talata 12 Aprily 2022

Tena efa mikaikaika amin’ny hirifirin’ny hatsiaka sahady ireo mponina eto an-drenivohitra amin’izao. Betsaka ireo efa mieritreritra fa tafiditra ato anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika.

 

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny manasara-taona tanteraka isika izao. Manomboka volana martsa no hiainantsika eto Madagasikara izany ka hatramin’ny volana mey mialohan’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Ankoatra izay hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro dia mitsoka eto amintsika ihany koa ilay rivotra Alizay izay mitondra hatsiaka sy erika manify toy ny iainana eto an-drenivohitra nanomboka omaly alatsinainy 11 aprily. Ho an’iny faritra Vakinankaratra iny dia tafiditra hatrany amin’ny 9̊ C mihitsy ny maripana farany ambany izay efa mitovy tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina. Na izany aza hivadika hafana ihany izany amin’ny faran’ny herinandro ho antsika eto an-drenivohitra.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT