Vaky indray ny "Tourmaline" ao amin'ny Distrikan'Antsirabe faharoa amin'izao fotoana.
Ao amin'ny Kaominina Mangarano no nipoiran'izany ka efa manodidina ny 2.000 any ho any sahady ireo mpitrandraka vato tonga any an-toerana, izay saika olona ivelan'i Vakinankaratra avokoa no mahare mialoha ny fisian'ity fitrandrahana vato ity. Ny sabotsy 15 febroary lasa teo dia re fa nidina tany an-toerana mihitsy ny lehiben'ny Faritra Vakinankaratra nijery ifotony ity olana ity satria raha ny re dia karazana fitrandrahana tsy ara-dalàna indray ity mitranga ity ka ny fandinihina ny fanesorana ireo olona no anton-diany. Tsy manara-penitra ny fitrandrahana ka mety hisy fiantraikany amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny fahapotehan'ny manodidina indray. Ny mahagaga dia toa saika efa misy mitrandraka avokoa ny harena ankibon'ny tany ao Vakinankaratra vao taitra ny mpitondra toy ny nitranga tamin'ny fahavakisan'ny volamena tao Ibity, Distrikan'Antsirabe faharoa ihany.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.