Mangarano-Antsirabe II

> Notafihin'ny dahalo ireo mpitrandraka vato, lehilahy iray maty voatifitra


  • Talata 25 Febroary 2014

Efa notaterina teto ny fisiana toeram-pitrandrahana vato "Tourmaline" ao amin'ny Kaominina Mangarano, Distrikan’Antsirabe faharoa.

Niteraka resabe tao Vakinankaratra izy ity. Nisy mihitsy ny fidinana ifotony nataon'ny tompon'andraikitra tany an-toerana ka voalaza tamin'izay fa nomena 7 andro ireo mpitrandraka tany an-toerana hialany eo amin'io kariera fitrandrahana io fa sady tsy ara-dalàna no toa hoe misy tompon'andraikitra ambony tompon'izany toerana izany. Tapitra ny sabotsy 22 febroary 2014 teo io fe-potoana voalaza io ka raha ny re dia saika ny alatsinainy 24 febroary no nidinan'ny mpitandro filaminana tany an-toerana hanala ireo mpitrandraka tourmaline ireo sy handrava ny toerana. Loza anefa no nitranga tany an-toerana fa toa ny "Dahalo" indray no tonga nandrava izany ny alin'io sabotsy io. Tamin'ny 11 ora alina, no tonga ireo lazaina fa andin-dahalo izay miisa 20 lahy teo ho eo nirongo basy nanafika tao amin'ny toby, hoy Atoa Justin, Ben'ny tanàna ao Mangarano. Nivantana tamina lehilahy iray tonga mba nivarotra tany amin'ny kariera izy ireo. Niharan'ny herisetra ilay Raim-pianakaviana ary tsy nananan'ireo jiolahy antra ka notifiriny teo amin'ny tratrany avy hatrany ary maty tsy tra-drano. Mifamahofaho ny resaka teto. Ao no nilaza fa nivarotra vato ity raim-pianakaviana ity ny antoandro ary nahalafo 12 tapitrisa Ariary ka izay no lasan'ireo jiolahy. Tao koa ireo niteny fa vola 1 tapitrisa Ariary ary noraofin'ireo dahalo niaraka tamin'ny entana sendra azy rehetra tao an-trano ihany. Ny alahady maraina moa no nalain'ny havany tany an-toerana ny razana ka taorian'izay dia maro ny olona no niala teo amin'ity toeram-pitrandrahana vato ity fa tsy niandry intsony ny fahatongavan'ny mpitandro filaminana hanala azy ireo. Kariera foana, araka izany, no novantanin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana omaly alatsinainy 24 febroary.

Caïus Raharison

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT