Actualités

Mangarahara – Mandritsara Zaza 9 taona maty natelin’ny rano


  • Zoma 18 Febroary 2022

Nisahotaka ireo mponina rehetra manodidina ny tetezana Mangaraha ao Mandritsara rehefa naheno fa mpianatra izay vao rava nianatra no nilomano tao amin’ny renirano io no tsy hita popoka.

Tovolahy 9 taona izay rava nianatra no niharam-boina fotoana izay firavan’ny mpianatra amin’ny 11 ora atoandro. Ora maro anefa no nikarohana azy ireo vatan-dehilahy miisa telo nijoboka nitady azy saingy tsy hita ilay tovolahy kely. Hatramin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Mandritsara aza dia samy nanao izay ho hafany amin’ny fitadiavana io tovolahy mpianatra natelin’ny renirano Mangaraha io. Hatramin’ny ray aman-drenin’ilay zaza aza tsy nahalala ny loza nihatra tamin’ny zanany. An-jatony ireo vahoaka no tonga teny amin’ny sisin’ny tetezana rano Mangaraha nitady ny razana saingy samy tsy mbola nisy nahita. Saika ahitana olona atelin’ity rano Mangaraha ity isan-taona ao an-toerana raha nambaran’ireo mponina indrindra rehefa fotoam-pavaratra. Tamin’ny telo ora tolakandro omaly alakamisy 17 febroary izao vo hita natsingevan’ny rano ny vata mangatsikan’ilay tovolahy kely 9 taona natelin’ny rano rehefa nisy fomba natao raha ny fanazavana azo.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT