Actualités

Manga Mila diovina tsara vao hohanina


  • Talata 12 Oktobra 2021

Efa miparitaka eny an-tsena ny manga amin’izao. Ahitana karazany maro mihitsy izy ireny, izay lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina.

 Misy mantsy ireo milaza fa mbola tsy azo hanina ny manga amin’izao fa mankarary noho izy mbola tsy latsak’orana…. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany dokotera Fidy Bariniaina dia nambarany fa ny loto avy amin’ny manga sy ny tanana tsy voadio tsara no mety hiteraka aretin-kibo ho an’ny olona iray mihinana azy fa tsy ilay manga tsy latsak’orana akory. Eo ihany koa hoy izy ny fihinanana izany diso tafahoatra na be loatra toy ny hoe : olona iray mety hahalany manga 3 na 5, antony mety hankarary ny kibony ihany koa. Vahaolana aroson’ity dokotera ity araka izany ny tokony hihinanana ny manga araka izay sahaza ny tsirairay. Toraka izany koa ny hanasana azy tsara vao hanina arahin’ny fanadiovana ny tanana mandray sy mifonda ny manga.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT