Nandray fanapahan-kevitra henjana dia henjana ny SEMPAMA nasionaly.
Taorian’ny fidinana an-dalambe nataon’izy ireo ny zoma lasa teo dia hiroso amin’ny dingana manaraka izy ireo. Hakaton’izy ireo avokoa ny sekolim-panjakana rehetra izay mbola misokatra manomboka anio. Hifanome tanana amin’ireo mpanabe sendikalista monina eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izany ireo mpikambana amin’ny SEMPANA avy any amin’ny faritra niakatra eto Antananarivo.
Araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny sendika, Raharovoatra Claude, dia amin’ny sekolim-panjakana eto Antananarivo sy sasantsasany avy ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano no misy fampianarana amin’izao. “Izay tomponandraikitra na mpampianatra miasa na mikiry hanao fanadinana, izany hoe minia mandika ireo fepetra ireo dia raisinay ho tomponantoka tanteraka amin’ny fampisaraham-bazana ny Malagasy sy fanapotehana ny fanabeazana”, araka ny fanambarana navoaka omaly ihany.
Miantso ny ray aman-dreny tsy handefa ny zanany any an-tsekoly koa ity sendika ity raha tsy mivaha ny olana. Samy nilaza avokoa moa ireo mpanabe avy any amin’ny faritra fa efa tamin’ny febroary na martsa 2012 no niato ny fampianarana tany amin’izy ireo ary tsy mbola mitohy hatramin’izao. Raisin’ny SEMPAMA ho tomponandraikitra amin’ny mety hisian’ny taona fotsy koa ny fitondram-panjakana raha tsy mivaha ny olana araka ny voalazan’ilay fanambarana ihany. Teboka 3 no fitakian’ireo mpanabe raha tsiahivina dia ny fanondrotana ny marikarama izay nahazoany 50.000 Ariary isam-bolana saingy tsy misy afatsy 35.000 ariary anefa io rehefa nanesorana ny hetra. Faharoa ny fijerena ireo mpampianatra Fram izay ambaran’ny SEMPAMA fa tsy asian’ny fitondram-panjakana resaka intsony. Fahatelo ny fampidirana ny mpampianatra ao anatin’ny vaomiera fandraisana sy famindran-toerana mpampianatra. Sady nodian-tsy hita io no mbola nofoanana koa ny mpampianatra “contractuel”, araka ny nosoritana tao amin’ilay fanambarana hatrany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.