Hisy fepetra horaisina mikasika ny Miara-manonja, raha ny nambaran’ny
Prefen’Antananarivo Jeneraly Angelo Ravelonarivo omaly. Ny fihetsiketsehana politika dia voarara, raha mbola io Miara-manonja io, dia miala tsiny aho, fa fanakorontanana, fiantsoana fankahalana, fanompana olona, ary izaho aloha dia miala tsiny aho, fa tsy mampihetsika ny volon-dohako, hoy io manamboninahitra io. Tsy fantatra mazava kosa izany fepetra sy fotoana hanaovana izany? Hisy ve ny fisamborana na koa fanakatonana haino aman-jery? Nambara fa “Acte préventif” na fisorohana no natao fa tsy “acte repressif” na famoretana. Tsy araka ny hoe nanao didy jadona nanapaka làlana, fa mba ho fisorohana ny fanakorontanana. Tsy manana zo raikitra amin’ny hanao hetsika eny Ambohijatovo na 13 mey ny solombavambahoaka. Voarakitra anaty lalàmpanorenana ny tatitry ny solombavambahoaka, ka efa nogiazana manokana ny eny Soamandrakizay, hoy ny Prefen’Antananarivo. Nilaza ny mpitandro filaminana, fa tsy nisy mersenera izany.
MIVADIKA HO TOLONA HIADIANA AMIN’NY JADONA
“Ny vahoaka Malagasy mandoa hetra hanaramana mpitandro filaminana, dia ny mpitandro filaminana indray na manaporitra ny Malagasy. Mandranitra, manaporitra ny Malagasy amina tsy fitovian-kevitra ara-politika”, hoy ny Depiote Fidèle Razarapiera. Nilaza ity solombavambahoaka ity, fa tsy tolona no nokasaina hatao teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey, saingy rehefa niditra tamin’ireny fihetsika ireny ny Fanjakana, dia mivadika ho tolona hiadiana amin’ny jadona eto amin’ny firenena ny raharaha. Nilaza ny hanohy ny tolona ireo mpitarika ny Miara-manonja, ary niantso ny mpanara-dia azy hanaraka hatrany ny toromarika. Milaza tsy hihemotra amin’ny tolona, fa vao manomboka izany ny Miara-manonja, ka dia andrasana indray izay hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.