Actualités

Mandroba, mamono … Inona no olan’ny Polisy e ?


  • Zoma 18 Mey 2012

Hafahafa ihany ilay tranga teny Ankasina 67Ha ka nahafatesana Betsileo iray, mpandraharaha any Tsaratanana any, ny alarobia lasa teo vao mangiran-dratsy tokony ho tamin'ny 3 ora maraina tany ho any.

 Ny polisin'ny GIR moa no efa niaiky fa nitifitra ity lehilahy 47 taona ity, fantatry ny maro amin'ny anarana hoe : Gervais. Rotiky ny bala ilay rangahy, teo amin'ny kibony, ny tratrany ary ny lohany. Nambaran'ny fianakaviany fa bala amam-polony no niantefa tamin’i Gervais. Ny polisy moa dia nilaza fa hoe bala 6 no nahafaty azy. Fantatra fa tonga avy any Mahajanga tamin'ny taksibrosy ity mpandraharaha ity, niala teny Ambodivona ka nandray fiarakaretsaka namonjy ny fianakaviany eny Ankasina 67Ha. Nilaza ny polisy fa hoe nisy olona roalahy hafa niaraka tamin'ity lehilahy ity nandeha tongotra. Nosakanana izy ireo saingy tsy nety nosavaina, ary avy eo nitsoaka no sady nanapoaka basy.

Araka ny filazan'ny polisy ihany dia nitsoaka tamina fiarakaretsaka ireo roalahy ka tsy tratra, fa ilay mpadraharaha kosa nihazakazaka nitsoaka tany anaty elakelan-trano ary dia voatifitra. Vola 75 tapitrisa sy basy poleta ananany taratasy fahazoan-dalana mazava, no tao amin'ny sakosy nentin'ilay mpandraharaha namoy ny ainy ity, saingy nambaran'ny fianakaviany fa tsy hita popoka izany. Noraisin'ny teny amin'ny ministeran'ny filaminana anatiny avy hatrany moa ny fianakavian'itompokolahy io alarobia io, izay efa nanambara fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao famonoana ny havan'izy ireo izao. Nampanantena hanokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity ny teo anivon’ny polisy, hampitoniana ireo zanak’Imadiala mana-manjo. Tsara mihitsy ny hisian'ny fanadihadiana ary antenaina fa tena hahafahana mikaroka ny marina izany hoy ny fianakavian'ny maty, satria amin'izy ireo dia manjavozavo be ihany ny tena zava-nitranga. Nohamafisin'izy ireo rahateo fa tsy jiolahy na mpangalatra ity mpandraharaha ity fa olona tsotra ary tena mamy hoditra teo amin'ny fiarahamonina. Ka nahoana, hoy izy ireo, no novonoina tahaka ny jiolahy izy, ka tena norotidrotehana tamin'ny bala ny vatany.

Mametra-panontaniana koa izy ireo hoe nankaiza ary ny vola be nentin'io mpandraharaha io, sy ny firavaka volamena teny aminy ary iza no naka azy ? Nanaitra ny maro tokoa ity tranga ity satria somary hafahafa, no sady vao andro vitsivitsy izay no nanao be midina nisava tranon'olona teny Itaosy ny mpitandro ny filaminana, nanakorontana sy nanimba zavatra tao, avy eo tsy hita ny vola sy ny volamena, kanefa tsy tena ilay olona notadiavina akory no tao amin'ilay trano. Mbola teny Ankasina ihany tamin’ny faramparan’ny taona 2011 iny dia mpamily fiarakaretsaka no namoy ny ainy nodarohan’ny Polisy andro alina fa hoe nahiana hifofo ny ain’ny filohan’ny tetezamita rehefa nahitana flesy tany aminy. Tamin'ny desambra 2011 dia saika hanafika fonja hamoaka ny namany no sady namono nahafaty mpitsara ny polisy tany Toliara; teny Mahazoarivo dia nisy an'ilay polisy nitifitra ka nahafaty olona roa.

Tany Antsiranana ihany koa dia nisy mpianatra maty vokatry ny herisetran’ny Polisy. Eny fa hatramin’ny mpanao gazety manao ny asany aza, lasibatra ihany koa toy ny nanjo ilay mpanao gazety vavy teo Anosy ny 28 desambra 2009. Tsy resahina ireo Polisy sasany tafiditra anaty fikambanan-jiolahy. Samy velom-panontaniana ny rehetra hoe : fa inona ary no tena olana ao amin'ny polisim-pirenena ao e ? Sao dia misy zavatra tokony ho jerena sy alamina amin'izay ao fa efa tena tafahoatra loatra ny herisetra sy fandikan-dalàna ataon'ny polisy. Raha misy ny olona ahiana fa jiolahy ka enjehina, dia tsy maintsy tifirina ho faty ve ? Dia ahoana moa izany raha tsy mitombina ny ahiahy, fa tena olon-tsotra mba taraiky ka mandeha alina iny maty voatifitra iny ? Tsy tokony hahagaga koa raha miahiahy sy tsy manaiky ho savaina, na mirifatra mandositra mihitsy ny olona sasany indraindray, satria be loatra koa anie ny polisy sy zandary sandoka eto e ! Ireo polisy lazaina fa mamita iraka koa matetika manao fanamiana sivily ka tsy amantarana na tena polisy na jiolahy mitam-basy, hany ka mihamaro ny sivily mangataka hitam-basy raha izao no afitsok’ireo noheverina mba hianteherana hiaro ny olona sy ny fananany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT