Actualités

Mandritsara Voatery misotro rano tsy ara-pahasalamana ny mponina


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Voatery misotro rano tsy ara-pahasalamana ny ankamaroan’ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandritsara. Ireo mponina ao amin'ny fokontany Ambohimandroso no tena mitondra faisana amin’izany indrindra fa ireo mpianatra

mipetra-drery. Voatery matsaka rano amin'ny vovo ao Bikitsà izy ireo noho izany, izay handehanana dia an-tongotra 3 km miala ny tanàna no sady mbola vidiana 300 Ar ihany koa ny iray bidon miloko mavo. Eo an-daniny anefa efa ritra ihany koa ny ankamaroan’ireo vovon-drano. Hita ho nivarina tao anaty vovo avokoa vokatr’izany ireo harona sachets plastika avy nanarian’ny olona maloto tao amin’ny tsenan'omby tao Sabotsibe. Ahiana hiparitaka any an-toerana araka izany ireo karazan’aretina maro samihafa ateraky ny fampiasana rano tsy ara-pahasalamana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ritra avokoa ny ankamaroan’ny vovo any Mandritsara amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT