Actualités

Mandritsara Mpitrandraka volamena am-polony no tototry ny tany


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Olona maromaro voalaza fa avy any Ankaramy sy Ambilobe no fantatra fa nanjavona tany amin’ny distrikan’i Mandritsara rehefa tonga mba hiady volana tao amin’ny Sahan'i Sahantona, kaominina Andohajango.

Ny alin’ny 24 jona lasa teo izy ireo no fantatra fa nandeha niady volamena izay miteraka resabe tokoa. Tsy mbola fantatra mazava mantsy ny tena isan’izy ireo fa ny entany mbola tavela eo ivelany no hahafantarana fa misy olona ao anatin’ilay lavaka. Misy ihany koa ny milaza fa tena mpitrandraka volamena ao an-toerana izy ireo. Misy indray ny milaza fa mpangalatra toerana izy ireo ary nanararaotra ireo tompon’ny tany natory saingy izao tra-doza izao. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay dia mbola hifampitadiavana ireo olona maromaro ireo. Fito metatra moa ny lavaka efa voahady hatramin’ny omaly ihany raha 12 metatra ny tena halaliny. Mahazaka olona hatramin’ny 20 isa io lavaka io hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny haben’ilay lavaka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT