Mandravarava ny “Bandes des 04”

> Sahiran-tsaina ny EMMO-Reg


  • Sabotsy 02 Novambra 2013

Tena sahiran-tsaina amin’ireo andian-jiolahy antsoin’ny olona hoe «Bandes des 04» mandravarava ao an-tampon-tanŕnan’i Toamasina amin’izao fotoana izao ny mpitandro ny filaminana.

Tao anatin’ny iray volana izao dia saika isan’andro ity andian-jiolahy ity no mahavita «opération» ary vola be hatrany no lasan’izy ireo amin’izany. Moto scooter sy basy kalaky no fampiasan’izy ireo ary tsy mba misaron-tava rehefa manafika. Tsy mitsitsy ny «Bandes des 04» rehefa manafika. Mitifitra sy ny mamono avy hatrany izy ireo raha misy manakana azy. Mpanakalo vola vahiny no lasibatr’izy ireo ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 10ora, tao amin’ny Boulevard Joffre. Tsy lavitra fa 50m manodidina eo anefa dia feno zandary sy polisy miambina tranombarotra sy orinasa ary banky, nefa samy tsy taitra sy tsy mba nisy fifanampiana mba hisamborana ireto jiolahy fa notazanim-potsiny. Ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka hanamarina izany na tsia. Hatreto aloha dia tsy mbola voafehy ireto «Bandes des 04» ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT