Actualités

Mandamin-tsaina ny Jirama Tsy ho tapaka tanteraka fa delestazy fotsiny…


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Raha ny fanazavana efa nentin’ny Jirama, manodidina ny ora iray ka hatramin’ny ora dimy ny ho fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina noho ny fanamboarana any Andekaleka.

Tsy maintsy hijanona, ary hiverina hiditra amin’ny RIA. 89 ny vokatra tsy voazara ho an’Antananarivo. Hitombo ny fahatapahana mifandimby…”, hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny herinaratra eo anivon’ny Jirama Désiré Marcel Randrianarisoa. Mahatratra 89MW ny tambazotra RIA. Raha 260MW eo ny filàna farantampony ho an’ny RIA, dia ho lasa 189 no afaka sitrahana amin’ny atoandro, ary 167MW kosa ho an’ny alina. Omaly kosa, nilaza ny Tale Jeneraly Rivo Radanielina fa ahafahana mampihena ny fandaniam-bola ny fahavitan’ny milina fahaefatra izay hampifandraisina amin’ireo telo sy hanaovana andrana ny 14-18 oktobra. Mihena ny fampiasana herinaratra ho an’Antananarivo rehefa faran’ny herinandro, antony nisafidianana ny fotoana. “Rehefa nodinihina, rehefa faran’ny herinandro no hanatanterahana ny asa satria amin’iny no kely indrindra no filantsika herinaratra, kely ny fahatapahana mifandimby izay tsy misy. Tsy hisy ny « black-out» na maizina tanteraka amin’ity indray mitoraka ity, hoy ny fanazavana. Rehefa hatambatra ny faharetan’ny asa, eo amin’ny telo andro eo raha haingana ary telo andro sy tapany raha ela indrindra. Hapetraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana mba tsy hisy fiantraikany amin’ny fandriampahalemana ny fahatapahana. Mila miomana ny rehetra satria tena hiantraika amin’ny asa aman-draharaha samihafa io. Andekaleka no hatanjaka indrindra eto Madagasikara rehefa tafapetraka io milina G4 voalaza fa hamokatra manodidina ny 33MW io. Ho foana amin’izay ary ve ny delestazy araka ny fampanantenana fa afaka 6 hatramin’ny 8 volana tamin’ny janoary lasa teo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT