Actualités

Manazary-Ilafy Tany manan-tompo alain’ny Karana eny ambony latabatra


  • Alarobia 13 Jolay 2016

Tany mirefy 5 hektara teo no ifandroritana fianakaviana mpandova sy karana, mandraharaha amin’itony fividianana sy fivarotana tany sy trano itony.

Tonga eny amin’ny Fitsarana mihitsy ny raharaha. Misy ny fandrahonana saingy tsy manaiky lembenana ny Malagasy tompon’ny tany. Miantehitra amin’ny Fitsarana kosa ny Karana milaza ho manana azy. Samy manana taratasy ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny taratasy fanamarin-tany eo am-pelatanan’ireo fianakaviana Malagasy tompon’ny tany tamin’ny 2013 dia milaza fa 10ha mahery ny tanin’izy ireo eny Antsahamioridoha, Manazary-Ilafy. Tany izay efa voarakitra ao amin’ny bokin-tany tamin’ny novambra 1934 araka ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny oktobra 1933. Mbola nohamafisin’ny didim-pitsarana nivoaka tamin’ny aprily 2014 io refin-tany io. Hatairana ny an’ireo fianakaviana ireto mahita Karana mampamefy ny ampahan’ny taniny eo amin’ny 5ha eo sy nampanapaka sy nampanongotra ireo hazo naniry tao. Nahavita nitory io fianakaviana Malagasy tompon’ny tany io ho mitsofoka an-keriny amin’ny taniny indray aza ilay karana. Nandeha ady maika eny amin’ny Fitsarana ny raharaha. Raha mbola andrasana ny fotoam-pitsarana dia voarara tsy hahazo handia ny taniny ireo fianakaviana Malagasy tompony. Manohy ny famefena ny toerana kosa ilay Karana, ka anairan’izy ireo ny tompon’andraikitra raha misy eto marina ny tany tan-dalàna, dia tokony hohajaina izany. Nandresy hatrany teny amin’ny Fitsarana rahateo ireto fianakaviana Malagasy ireto, nefa tadiavin’ny mpanambola halaina mora eny ambony latabatra ny tanin’izy ireo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT