Nirodana ny sabotsy 26 novambra lasa teo ny tranoben'ny kolontsaina tao Morondava, araka vaovao avy any an-toerana, ary nohamafisin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.
Ity fotodrafitrasa ity ilay efa nitriatra ny volana jona ary efa nanaovan'ny ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina fanamarihana fa tsy araka ny tokony ho izy ny nanorenana azy ary nisy ny tsy fahatomombanana ara-teknika avy amin'ilay orinasa nahazo ny tsena. Efa hatrany am-piandohana no nisy nitriatra rehefa vita, ary nambara ny sabotsy teo fa noho ny orambe sy rivotra no nampirodana azy. Raha ny sary sy ny fanamarihana anefa dia toa maina tsara ny andro, fa ilay fotodrafitrasa mihitsy no petatoko, ary ny alarobia teo no nisy rivotra nifofofofo sy orana, fa tsy ny sabotsy nirodanan’ny trano. Voalaza fa efa nanaovan’ny orinasa nanamboatra fiantohana ny fanarenana azy. Nambara fa tao anatin’ny fanombohana ny asa fanarenena ny orinasa no nitranga ny fianjeran’ny trano ka misy fitaovana fanamboaran-trano nambara fa tavela. Vitavita fotsiny amin'ny fanambarana sy fampitam-baovao ary fanamarihana tsotsotra ve ny zava-doza tahaka izao? Taiza ny fositra sy lesoka ary iza no orinasa nahazo ny tsenambaro-panjakana tamin’itony sa hodiana hafenina noho ny kiantranoantrano? Fantatra mantsy fa an’ny rahalahin’ny depiote IRD iray ato amin’ny Faritanin’Antananarivo ny orinasa nanao io asa tsy manjary sy nirodana io. Misy mihitsy ny mpandinika maneho fa tokony atao manakoako ny fisamborana ireo tompon'andraikitra sy ny fampiakarana Fitsarana azy ary ny sazy azony. Tsaroana tsara mantsy ny fisian’ireo olona nosaziana 10 taona an-tranomaizina fa hoe: nanimbazimba sy nanimba sekoly manara-penitra, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia ilay lazaina manara-penitra mihitsy no tsy nanjary ka nirodana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.