Azo lazaina ho tratra ny 60%n’ny vina ao amin’ny kaominin’andrenivohitr’Ambositra, hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Fomendraza Haingo Elizeth, na teo aza ny krizy ara-pahasalamana nandalo.
Miara-miasa tsara amin’ny ben’ny tanana ny mpanolotsaina miisa 11 sy ny lefitry ny ben’ny tanana miisa 3 izay misahana ny lafiny tekinika, hoy izy. Samy mikatsaka fampandrosoana ao anaty fahasamihafana ny rehetra na dia samihafa antoko nihaviana aza. 2km latsaka kely teo ny lalana Pavé vita. Tao ny fanampian’ny governora fa tena nisy volan’ny kaominina madiodio sy tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina koa na ny 3P. Toy izany koa ny fametrahana ireo jiro manazava ny tanana raha toa ka niaina tanaty aizina teo ny kaominina. Iny moa tontosa tamin’ny alalan’ny fampiasana ireo ambim-bava avy amin’ny hetra na “surtaxe”. Natao vaindohan-draharaha koa ny resaka rano fisotro madio satria na kaominina andrenivohitra aza izahay dia mbola betsaka no miaina anaty fisotroana rano anaty vovo izay tsy ara-pahasalamana. Niezaka niaraka amin’ny JIRAMA, noho izany, izay hametraka paompin-drano amin’ireo fokontany miisa 23. Teo koa ny fihezahana nanao Pavé ireo lalan-kely madinidinika izay azo lazaina hoe lalan-dra mampifandray ny fokontany. Tanjona ny hamerina ny kaominina an-drenivohitra amin’ny hasina niantsoana azy hoe “commune Le rose”. Tsy mahita fako mivangongo ato amin’ny kaominin’Andrenivohitra Ambositra intsony isika. Mikasika ny fandraharahana anaty kaominina kosa dia nandalo sedra sarotra izahay satria raha niditra tao anaty kaominina dia tsy ampy ny fampitaovana nahafahana niasa. Nezahana noho izany ny fampitaovana ny solosaina, ny fanaka isan-karazany, famerenana ny hasin’ny biraon’ny kaominina indray satria tena azo lazaina ho efa tsy zarizary sy tsy mendrika ny maha renivohitry ny faritr’Amoron’Imania intsony izany. Manao antsoavo ny fitondram-panjakana izahay, noho izany, hoe mba tokony hanana “Hotel de ville” I Ambositra satria efa misy ny fanomezana ireny birao manara-penitra ireny. Efa mba nitombo ho maherin’ny 50.000 isa koa ny mponina ary tsy mahavaly ny filan’ny vahoaka intsony ny birao tery sy efa antitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanànan’Ambositra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.