Actualités

Mananjary Nosamborina ilay lehilahy nampiasa vola sandoka


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vatovavy Fitovinany tany Mananjary ny lehilahy iray 22 taona afak’omaly 04 jolay rehefa nampiasa vola sandoka.

Io andro voalaza io tokony ho tamin'ny 8ora sy 15mn alina raha tsiahivina dia naharay antso ireo Polisy tompon’andraikitra miasa ao amin'ny kaomisaria foibe Mananjary izay milaza fa misy olona manana vola sandoka maromaro ao amin'ny toeram-pisotroana iray antsoina hoe : Masindrano Distrikan'i Mananjary ary mampiasa izany hividianana zavatra. Tsy niandry ela fa namonjy teny amin'ilay toerana voafaritra ny polisy ka tra-tehaka tao ilay lehilahy voalaza. Nandritra ny fisavana natao taminy dia mbola nahatrarana vola sandoka 20.000 Ar sy iray 10.000 Ar mitentina 70.000 Ar teny aminy. Miditra ao amin'ilay trano fisotroana izy, manao kaomandy toy ireny mpividy ireny ary avy eo mandoa izany eny amin'ny mpandray vola mba hahazoana fameriny amin'ny vola ara-dalana. Dia toy izany hatrany no fanaon’ity lehilahy ity mba hamitahana olona. Efa natao fanadihadiana moa ny anaolahy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT