Manandona-Antsirabe II

> Toaka gasy 1 250 litatra saron'ny zandary


  • Zoma 07 Martsa 2014

Nahatratra 1.250 litatra indray ny toaka gasy saron'ny Zandarimariam-pirenena teo amin'ny sakana tao Manandona amin’ny lalam-pirenena faha-7 ny zoma 27 febroary teo, tamin'ny 7 ora maraina.

Fisavana toy ny fanao no nahatrarana ireto toaka an-tavoahangy marobe ireto, hoy ny komandin'ny Borigady Andranomadio.  Avy any Amoron'i Mania no fiaviany ary nokasaina hoentina ao Antsirabe. Fiara manokana Mazda, ireny mpitatitra olona ireny no nitondrana izany ary tsy nisy afa tsy ireto toaka ireto no tao anatiny. Raha ny nambaran'ireo tompon'entana moa dia manana fahazoan-dalana amin'ny famokarana ireo toaka ireo izy ireo saingy tsy hita izany raha ny nambaran'ireo zandary. Anisan'ny fanamarihan'ny mpitandro filaminana ihany koa fa 1.000 litatra no misoratra tao amin'ny "Bon de Livraison" nitondrana izany kanefa 1 250 litatra no tao ary saika efa tavoahangy efa niasa no nisy ireo toaka raha toa ka ny 490 tavoahangy ihany no manaraka ny fenitra. Nambaran'ireo mpitandro filaminana moa fa fototry ny korontana sy tsy fandriampahalemana ireto toaka ireto noho ny tahan'ny alikaola ao aminy izay tsy voarefy ara-dalàna.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT