Actualités

Manandafy Rakotonirina «Tsy hisy Air Madagascar intsony atsy ho atsy»


  • Alarobia 11 Aprily 2012

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny filazan’i Andry Rajoelina fa hahazo fiaramanidina Airbus A340-300 roa i Madagasikara ato ho ato ary dia hireharehana izany satria hoe sambany teo amin’ny tantaran’ny kaompania Air Madagascar izany

 Mbola betsaka anefa ny resaka tsy mazava momba ity raharaha ity ary dia betsaka manaraka izany ny baraingo. Anisan’izany ny hoe tena laharam-pahamehana tokoa ve ny fividianana fiaramanidiana amin’izao krizy izao ? Araka ny fanazavan’i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM, dia mody voizina amin’ity resaka fividianana fiaramanidina Airbus A340-300 ity ny fifaninanana eo amin’ny Airbus sy Boeing. Tsy any anefa ny tena olana, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Ny tena olana, hoy izy dia ny fidiran’ny kaompania Air France amin’ny zotran’ny kaompania malagasy Air Madagascar, izay an’ny fanjakana Malagasy. “Ny Air France no hitondra ny Air Madagascar”, hoy izy. «Ny hiafaran’io dia tsy hisy intsony izany Air Madagascar izany», hoy i Manandafy Rakotonirina satria nomena ny Frantsay ny habakabaka malagasy.

Raha jerena manerana an’i Afrika, hoy ihany i Manandafy Rakotonirina dia tsy misy intsony izany Air Afrique izany satria nofafan’ny Air France. Efa ela no niadian-kevitra amin’ny fisintahan’ny fanjakana amin’ny Air Madagascar ka izao hanaovana azy izao dia efa endriky ny fisintahana. Atao sahala amin’ny banky ny Air Madagascar, hoy ihany ity mpanao politika ka ny Frantsay ihany no nahazo azy.

Fanomezana tombontsoa manokana ny Frantsay

I Andry Rajoelina mihitsy moa no lasa any Frantsa naka ka hisantatra voalohany ity fiaramanidina Airbus A340-300, hofaina ka hitondra ny lokon’ny Air Madagascar ity. Rahampitso no hahatongavany eny Ivato, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany. Hatreto dia tsy nambara ho fanta-bahoaka marina ny fifanarahana ao ambadik’io fividianana Airbus A340-300 io. Na ny fikojana azy eny Ivato aza mantsy dia efa hametraka olana, satria Boeing no mahazatra sy niofanan’ny teknisianina gasy tao. Ny mpanamory koa moa izany dia efa ho olana. Hatao aiza ireo mpanamory gasy zatra boeing ?

Frantsay mantsy no ho tompon-toerana amin’ireto Airbus A340-300 ireto. Ny tsara ho fantatra dia nanambara i Hans Peter Ring, tale ara-bolan’ny Airbus, tamin’ny 10 novambra 2011 lasa teo, fa hatsahatra ny fanamboarana ny A340. Ny antony dia satria tsy nahavita nifaninana tamin’ny Boeing 777 io fiaramanidina io hatramin’izay niasany. Miteny ho azy ny tarehimarika : Airbus A340 miisa 377 no lafo hatramin’ny nisiany, raha toa ka mahatratra 1295 kosa ny Boeing 777 lafo tao anatin’ny fe-potoana mitovy ihany. Misy antony mazava ihany koa matoa ireo kaompaniam-pitaterana manerantany resy lahatra kokoa amin’ny Boeing noho ny Airbus, ka izay no somary mahagaga ny maro ihany amin’ity fanapahan-kevitry ny FAT ity, amin’ny fampiasana fiaramanidina Airbus.

Manaraka izany, araka ny fanadihadiana natao dia kely kokoa ny solika ampiasain’ny Boeing 777 noho ny lanin’ny Airbus A340, kanefa mitovitovy ihany ny zava-bitany. Mety tsy safidy ara-teknika, na ara-bola fotsiny no nahatonga ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina mba hampiditra ny Airbus eto Madagasikara fa tena midika avy hatrany mihitsy, fa fanomezana tombontsoa manokana ny Frantsay, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao azy. Amin’ny maha Amerikanina azy moa dia voailika tsimoramora ny Boeing na dia efa niara-niasa maharitra tamintsika aza. Miova andriana, miova sata marina, hoy ny fitenintsika Malagasy.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT