Actualités

Mananara Ville Nijanona tampoka ny fon’ilay mpanao Gym BACC


  • Alarobia 28 Jolay 2021

Mpiadina iray antsoina hoe : Willy, ao amin’ny sokajy D, hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea, mpianatry ny lisea ao Mananara ville no fantatra fa namoy ny ainy omaly

 teo am-panatanterahana ny adina ara-panatanjahantena. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nijanona tampoka ny fon’ity tovolahy kely ity noho ny antony tsy fantatra. Efa nanao izay azony natao avokoa ny rehetra nanoloana izany toy ny mpitsabo, fikarakarana izay efa nanomboka teny amin'ny kianja nanaovana ny adina hatrany amin'ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ain'i Willy. Tsiahivina moa fa ankoatra ny tsy fahampian’ny fanazaran-tena amin’ny fotoana hanaovana ny adina ara-panatanjahantena tahaka ireny dia marobe ihany koa ireo karazan’aretina mety hipoitra, antony mety hiteraka ny famoizana ny ain-dehibe tahaka izao. Ity no tovolahy faharoa namoy ny ainy teo am-piatrehana ny “Gym Bacc” taorian’ilay tranga tany Moramanga ny 14 jolay lasa teo.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT