Andro aman’alina ny fitaterana bolabola na «bois de rose» avy any anaty ala arovana any Mananara Avaratra any amin’izao fotoana.
Hatramin’ny 15 jona 2011 teo no ho mankaty no tena nampirongatra azy io indray, araka ny fanamarihan’ny mponina avy any an-toerana. Mametra-panontaniana izy ireo amin’izay tena iraka nataon’ireo andia-miaramila nanao be midina tany an-toerana, fa toa vao mainka nahazo laka ny trafikana andramena amin’iny Faritra Ambatosoa iny. Tsy mitsahatra ny kamio mitatitra andro aman’alina, na dia raran’ny lalàna aza ny mitondra hazo amin’ny alina. Bolabola an’arivony isa no efa tafavoaka. Mbola io loharanom-baovao io ihany no mitatitra fa sambo roa no tena mifandimby mitatitra ireo “bois de rose” ireo mihazo an’i Toamasina sy Antalaha.
Efa sarona tao Andevoranto Brickaville nitondra «bois de rose» ny iray tamin’ireo sambo ireo, ny volana jolay 2010. Novain’ny tompony anarana anefa io sambo io ankehitriny ary dia izao manohy mitatitra “bois de rose” izao indray. Ireo hazo ao amin’ny Kaominina Sandrakaty, Antanambaobe ary Antananivo no tena lasibatra amin’izao fotoana, nefa tsy mahazo tamberimbidy amin’ny entana mivoaka akory. Ny mahazendana ireo raiamandrenin’ny tanàna any dia misy manamboninahitra miaramila sahy milaza fa misokatra ny fitrandrahana “bois de rose”.
Valalanina ny vahoaka manoloana izany satria ny minisitry tontolo iainana sy ny ala, ny jeneraly Raveloharison Herilanto izao mihitsy no namerimberina fa hisy ny fanadiovana hatao hanafoanana ity trafika “bois de rose” nefa dia mifanohitra amin’izany no mitranga any Mananara Avaratra. Nisy ny fanenjehana sy fisamborana olona teo aloha teo. Mitaraina anefa ny mponina any an-toerana fa ireo olona mikarama mibata hazo, amin’ny efa-jato ariary isaky ny bolabola, indray no midoboka am-ponja fa ny mpanarama sy tena “atidoha” miriaria sy manohy tsy miato ny trafika, miray tendro amin’ny manampahefana sy mpitandro filaminana sasany. Manao antso avo ny mponina hijerena akaiky ka handraisana fepetra hampiatoana izao fandripahana ny harem-pirenena izao.
Jean D.
Sary : Tahirina “bois de rose” hita tany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.