Actualités

Mananara Avaratra Olona enina naratran’ny afomanga


  • Alatsinainy 27 Jona 2022

Namoa-doza ny afo manga tany amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra raha nilamina avokoa ny tany amin’ny faritra hafa rehetra raha araka ny vaovao azo.

Olona 6 mantsy no naratra ka lehilahy avokoa ny dimy tamin’ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tsy tafakatra ambony ilay afomanga ka niverina tamin’ny tany, ary nipitika tany amin’ireo olona ireo. Saika ny tanany, ny tarehiny, ny tongony no voa tamin’izy 6 mianadahy ireto saingy na izany aza tsy misy atahorana ny ainy. Raha araka ny fanazavan’ny manam-boninahitra iray tetsy Mahamasina omaly dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa izy ireo izy tanora manodidina ny 20 taona eo ho eo avokoa ny ankamaroany. Noho ny hamandoana be loatra tao amin'ny CEG hoy ny vaovao , toerana natokana hanapoahana ilay afomanga no nahatonga ny loza, izay tsiahivina fa mila toerana maina sy midadasika tsara ary ialana metatra maromaro fa tsy azo hakaikezina, eny fa na ho an’ilay mpanapoaka azy aza. Mikasika ny afomanga nalefa teny amin’iny faritra Atsimondrano iny ny harivan’ny 24 jona teo moa dia fantatra fa tranon’olona maromaro ihany koa ny nihozongozona indrindra fa ireo miorina amin’ny faritra iva ka nampitaraina ny maro.
Nangonin’i Pati
Legende : Mitera-doza ny afomanga rehefa tsy voafehy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT