Velon-taraina ny mponina any Mananara Avaratra amin’ny afitsok’ity mpandraharaha lahy iray any an-toerana.
Nanolana zaza tsy ampy taona izy io ny zoma 18 martsa 2011, araka ny taratasy fitoriana nataon’ny ray aman-drenin’ilay zaza, ary nohamarinin’i Totomanana Bien Aimé, Ben’ny tanàna lefitry ny Kaominina Ambodivoanio raha nandalo teo anatrehan’izy ireo ny fitoriana ny 28 martsa. Izany Dafohy izany no enjehin-dRalison Olivier sy Marie Angèle ray aman-drenin’ilay zaza, araka ny voarakitra amin’ny taratasy fitoriana nalefa any amin’ny Komandan’ny borigadin’ny zandary. Mitaraina mafy izy ireo amin’ny nanjo an-janany. Na teo aza anefa izay fitoriana izay dia hitan’ny olona miriaria ao an-tanàna ilay nahavanon-doza, nametaveta sy nanolana zazabodo ity, ary tsy vitan’izay fa mbola mampihorohoro araka ny feo re avy any an-toerana.
Zazavavy kely 15 taona ity niharan’ny fanolanana ity. Mbola mpianatra (CEP2) ao amin’ny Sekoly Besoa Petera any amin’ny Kaominina Ambodivoanio Mananara Avaratra, araka ny “Certificat de scolarité” nataon-dRajaonarivelo Victor, talen’ny sekoly. Notanana tamin’ny tanana ilay zaza, nobataina ary nentina an-keriny. Nitomany io zaza io saingy notapenana ny vavany, araka ny taratasy fitarainan’ny ray aman-dreniny. Vavolombelon’ny zava-nitranga ny zazalahy kely, 11 taona, zandrin’ilay niharan’ny herisetra ary nilaza tamin’ilay mpanao ankeriny mba hamela ny anabaviny, raha tsy izay dia halazany amin’ny dadany saingy tsy nahoan’ilay mpanolana izany raha tsy tanteraka ny filan-dratsiny. Vokany, simba ilay zaza araka ny “Certificat médical” navoakan’ny dokoteram-panjakana tao Mananara Nord ny 26 martsa 2011, izay milaza fa taorian’ny fitsirihana natao dia voamarina fa rovitra ny fivaviany ary misy fery mamoaka tsiranoka. Miantso ny tompon’andraikitra mahefa ny ray aman-drenin’ity zaza ity sy ny fianakaviany, mba handray andraikitra manoloana izao fametavetana zaza tsy ampy taona izao ary koa tsy hamela ho vita mora fa hampihatra ny lalàna amin’ny nahavanon-doza. Araka ny fantatra dia efa nanana olana ara-pitsarana ity rangahy voarohirohy ity, ary tafiditra amina raharaha “bois de rose”, izay tokony hiakatra fitsarana ato ho ato koa.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.