Toy ny tany tsy misy fanjakana ao Mananara Avaratra amin’izao fotoana izao. Manjaka ny fitsaram-bahoaka noho tondromolotra sy ny fankahalana.
Milaza ho tsy matoky mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana ary ny mpandraharahan’ny fonja intsony ny olona. Taorian’ny fanakatonana ny kaomisarian’ny polisy ao Mananara Avaratra noho ilay disadisa teo amin’ny polisy sy ny Fokonolona, dia nivadika any amin’ny borigadin’ny zandary indray ny raharaha ankehitriny. Nitrangana vono olona noho ny resaka ara-bola tany an-toerana tamin’ity herinandro ity. Raha mbola manao ny fanadihadiany ny zandary mikasika ny raharaha ka nahasambotra olona iray mbola eo am-panaovana famotorana, dia ny fitsaram-bahoaka avy hatrany no nataon’ireo andian’olona nitangorona teo amin’ny borigadin’ny zandary. Voalazan’ny loharanom-baovao fa tsy nahaleo dohika sy ny vavan’ireto andian’olona ireto ny zandary dia namoaka tokoa ilay olona nanaovana fanadihadiana naseho azy ireo.
Vao nipoitra anefa ilay lehilahy voarohirohy dia niharan’ny daroka avy hatrany nataon’ireto andian’olona ireto, teo ambany mason’ireo zandary, ka niteraka ny fahafatesany ary mbola notaritaritina nitety tanàna. Omaly dia mbola misy olona roa hafa anaovana fanadihadiana mikasika ity vono olona ity hatrany. Mbola tonga teo anoloan’ny borigadin’ny zandary ireto andian’olona ireto saika hanao ny fitsaram-bahoaka hatrany. Nandray fepetra anefa ny zandary ka raikitra ny sakoroka. Omaly hariva dia nangataka ny hanalana ireo zandary any an-toerana sy mitaky koa ny hanaovana “fitsaram-bahoaka” azy ireo ireto andian’olona ireto. Ankoatra izay dia mangataka tolo-tanana sy fanampiana amin’ireo izay te-hanampy sy tsara sitrapo ny tale iraisam-paritry ny polisy ao Toamasina hanampiana ireo fianakaviana polisy ao Mananara Avaratra izay may sy potika fananana.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.