Mananara Avaratra

> Saika norotahan’ny vahoaka indray ny polisy


  • Talata 17 Septambra 2013

Mbola hita taratra ao an-tanŕnan’i Mananara Avaratra ny takaitra navelan’ilay sakoroka nitranga tamin’ny volana mey 2013 nifandonan’ny polisy sy ny vahoaka tany an-toerana noho ny resaka delestazin’ny Jirama ka voatery nanakatonana vonjimaika ny Kaomisarian’ny polisy.

Efa naverina nisokatra moa izy io ankehitriny. Ny marainan’ny sabotsy 14 septambra teo anefa dia saika niverina indray io olana io, rehefa nisy mpangalatra tratra. Araka ny fanazavan’ny fianakaviana iray misy olona dimy mianaka lasibatr’io halatra io, dia niharan’ny fanapoizinana tamin’ny alalan’ny vatomamy sy zava-pisotro misy fampatoriana sy mandemy vatana izy ireo, ka tsy nahatsiaro tena raha tsy maraina ny andro. Tao anatin’izay no nisy nanararaotra nangalatra tao amin’izy ireo. Olona fantatr’izy ireo ao an-tanàna ihany anefa no tompon’antoka tamin’izany noho ny fahafantarany fa nahazo vola 3 tapitrisa Ariary vidina kisoa ary vao nividy fitaovana elektronika maromaro tamin’ny volany ity fianakaviana ity. Nisy lehilahy roa voasambotry ny polisy : nangalatra ny iray raha nampirina ny halatra kosa ny faharoa. Tonga teny amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ny Fokonolona nijery azy ireo ary nitaky ny hamoahana ireo jiolahy hatao fitsaram-bahoaka. Teo no nanomboka ny olana satria tezitra tamin’ny fandroahana azy tsy hitangorona teo anoloan’ny Kaomisaria ireto Fokonolona. Ny mpanao gazety nanao ny asany koa aza voahilikilika sy voaroaka mihitsy raha tonga nanadihady ny zava-nisy sy nitady ny marina. Soa aloha fa nalaky nilamina ireto Fokonolona noho ny teny nataon’ireo fianakaviana lasibatra. Hita taratra ao Mananara Avaratra fa mbola tena mitoetra ny lonilony eo amin’ny vahoaka sy ny polisy any an-toerana. Ankoatra izay, ny halabotry sy halatra lavanilina ary fanolanana no tena mitranga any an-toerana, izay no mameno ny fonja. Isam-bolana ny fitsarana ataon’ireo mpitsara avy any Maroantsetra, raha ny lehiben’ny Distrika no mpanome ny famonjana vonjy maika amin’ny heloka tsotra, fanao araka ny lalàna amin’ny distrika tsy misy fitsarana, tena fahita any an-toerana.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalĂ na ambony,

Hijery ny tohiny
FTT