“Rehefa avy nanaliaka olona amin’ny filaharana amin’ny 3ora maraina ny
Mpiasam-panjakana ambony ao dia tonga indray ny fanalikana manaraka satria dia afaka 4 volana indray ny “rendez-vous” omena raha izao no maka, kanefa andoavam-bola aman’aliny. Tsy hivoatra mandrakizay mihitsy raha ny asam-panjakana eto Madagasikara, ka tokony omena ny tsy miankina ihany koa ngamba dia roahy any daholo ireo mpiasam-panjakana kamo velona ireo daholo”. Io no karazana fanehoam-pahatezerana nataona mpikarakara tataratasy ao amin’ny Sampan-draharaha mpanao ny taratasy mahakasika ny fiara sy ny fahazoan-dàlana mamily na ny CIM eny Ambohidahy. Raha ny famandriham-potoana nomena azy, dia amin’ny 22 martsa 2021 izy no asaina miverina. Ahoana izany raha taratasy maika ilaina amin’ny asa fivelomana? Midika io fa mitarazoka tanteraka ny tolotra homena ireo manan-draharaha, izay mety hanome vahana ny kolikoly. Tsy vao izao fa hatry ny ela no ahitana sampona sy mampitaraina ny maro ny CIM. Mety misy tokoa ny fanatsarana ny fomba fiasa, saingy hatreto tsy afa-po ny olona, misy ny lesoka tsy voavaha matoa mandeha ny fitarainana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.