Actualités

Manamboninahitra vita fiofanana 69 nahavita ny safidy ny vondron-tafika hisy azy


  • Alarobia 08 Septambra 2021

Mpianatra manamboninahitra miisa 69 mianadahy avy ao amin'ny sekoly mampiofana miaramila (ACMIL) Antsirabe no nandray ny andraikiny amin'ny fomba ofisialy

 ao amin'ireo vondron-tafika izay nosafidiny avy omaly 07 septambra teny Ampahibe. Misy amin'izy ireo no nisafidy ny tafika an-tanety, ny tafika an’habakabaka, ny tafika an-dranomasina ary eo anivon'ny zandarimariam-pirenena. Nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia ny satan'ny fahitsiana teo amin'ireo tomponandraikitra voalohany ny biraon'ny fiarovana miisa 225 manerana ny distrika. Anisan'ny voarakitra ao anatin'ity satan'ny fahitsiana ity ohatra ny ady amin'ny kolikoly. Tsy misy andoavam-bola ny fikarakarana taratasy rehetra eny anivon'ny birao fiarovana toy ny "position militaire". Asa iandraketan'ireo tomponandraikitra manerana ny distrika ireo raha tsiahivina ny fanomezana alalana amin'ny fitazomana fitaovam-piadiana, ny fitsarana Miaramila, ny fiandry (réserve), sy ny fanisana ny bekotro maro holatra, araka ny fanazavana sy fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT