Actualités

Manamboninahitra lefitra misotro ronono Mitaky ny handoavana ny volan’izy ireo 6 taona sy 6 volana


  • Alakamisy 07 Jona 2012

Malaza ny resaka fitakiana amin’izao fotoana ary misy ny mahazo na dia ampahany aza toy ny Sempama sy ny Paramed ary dokotera.

 Tsy te ho diso anjara koa ireo manamboninahitra lefitra misotro ronono ao Toliara. “Takianay amin’ny fitondram-panjakana mahefa amin’izao fotoana izao ny handoavana ny rappel ny karamanay nandritra ny enin-taona sy enim-bolana, nanomboka ny 1 janoary 2006 ka hatramin’izao volana jona 2012 izao sy ny “rappel en augmentation” voalazan’ny didim-panjakana laharana 2005-841 ny 6 desambra 2005 sy ny hitsivolana roa nivoaka ny 12 martsa 2008 laharana 42 sy ny laharana 180 ny 20 oktobra 2010”, hoy i Soamahatsara Fréderic, filohan’ny fikambanan’ireo miaramila manamboninahitra lefitra nisotro ronono ao Atsimo-Andrefana, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny omaly alarobia 6 jona.

Sahirana sy mijaly izahay, hoy ny tolokon’izy ireo ka mangataka sy miangavy an-tanan-droa anareo tompon’andraiki-panjakana manomboka amin’ny CT, CST, ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny minisitry ny vola sy ny tetibola ary indrindra ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Nambaran’izy ireo fa nahavita be teto amin’ny firenena ireto tandroka aron’ny vozona ireto ka mendrika faran’izay haingana amin’ny famaliana ny fitakiana ny zon’izy ireo. “Tsy mila fampanantenana intsony izahay fa vola no tadiavinay”, hoy izy ireo. Ny zavatra hita tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly io dia nisy amin’izy ireo no tsy mikapa mihitsy sy kaozatra.

Nangonin’i Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT