Fanabeazana amin'ny maha fototra fitaizana tanora sy mitondra lesona sy fanitsiana amin'ireo fakam-panahy maro samihafa.
Izay amin'ny ankapobeny no voizin'ny tantara Tilitilio ka ny andiany faharoa na “Tilitilio 2” no hivoaka manerana ny nosy ho zaraina ho an'ny mpankafy rahampitso alarobia 7 jolay ho avy izao, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny trano mpamokatra izany. Sarimihetsika novokarin'ny Outline Movies ary ao anatin’ny fiezahana hatrany mba hanome fahafaham-po amin'ny fanatsarana ny tolotra ho an'ny mpitia sarimihetsika Malagasy izany. Ezaka hiavahan’ity trano mpamokatra ity amin’ny hafa ny fanomezan-danja hatrany ny ankizy, ankoatra ireo ray aman-dreny. Hahazo tombony izy ireo satria am-pitsikiana no hijereny ny “Tilitilio 2”, hoy hatrany ny tompon’andrakitra no sady mba manala azy vita CEPE.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.