Actualités

MANAKARA Mpianatra 5 vavy lasan’ny ranomasina


  • Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Tovovavy mpianatra miisa dimy no maty an-dranomasina omaly Alahady 31 Jolay raha nilomano ny ranomasimbe Indianina tokony ho 11 ora atoandro tany amin’ny distrikan’i Manakara.

Raha araka ny fantatra dia miisa 7 izy ireo no niaraka. Niezaka ny namonjy sy nanavotra azy ireo ny fokonolona nandritra izany. Vokatry ny fikarohana nataon'ny Polisim-pirenena sy ireto farany dia hita soa amantsara ny nofo mangatsiakan’izy 5 mirahavavy. Ny 2 hafa kosa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara. Raha tsiahivina moa dia niala 15 km ny renivohitr’i Manakara vao hita ny razana. Mpianatra avy any Fianarantsoa izay nentin'ny "ONG SISE" izay mitaiza azy ireo izy ireo, raha tsiahivina. 86 mianadahy izy ireo no niaraka saika hanao fialan-tsasatra niaraka tamin’ny mpanabeny kinanjo izao niharan-doza izao. Tsy misy ahiana kosa ny ain’ireo 2 ambiny hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT