Actualités

Manakambahiny Tratra ilay Ramatoa mpivarotra toaka gasy


  • Alakamisy 19 Mey 2016

Nahazo vaovao avy amin’ny olona tsara sitra-po ny polisy miady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina etsy Anosy fa misy olona mivarotra toaka gasy eny Manakambahiny.

 Nandeha teny an-toerana avy hatrany ny polisy ny alahady 15 mey teo ka vehivavy iray  52 taona no tratra teo am-pivarotana. Tratra niaraka taminy ihany koa ny toaka gasy fito bidao  izay miaty 20 litatra ny iray.Tamin’ny fanadihadiana natao taminy no nahalalana fa sady mivarotra hanimasaka izy no mivarotra toaka gasy. Nilaza ihany koa izy fa olona avy any Ankadindratombo no mamatsy entana azy. Vidiany 2.500 Ar ny iray litatra ary amidiny 3.000 Ar avy eo. Mahalany toaka gasy 5 litatra   isan’andro izy ary efa efa-bolana izay no nanaovany ity asa ity.Natolotra ny fampanoavana omaly ilay Ramatoa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT