Actualités

Manakambahiny Roalahy maty nianjeran'ny gonim-bary


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Tovolahy kely miisa roa antsoina hoe : Manana sy Nantenaina , 18 sy 17 taona no maty nianjeran’ny vary 12 gony tao am-pivarotana,

ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy teo, teny Manakambahiny, kaominina Antananarivo renivohitra.Eo amin'izany Betsileo izany no hahafantaran'ny olona ny tsenan'izy ireo. Raha araka ny fantatra dia ao am-pivarotana ihany izy 2 lahy kely ireto no matory. Nataon’izy ireo teo ambonin'ireo gony ny kidoron'izy ireo. Nalahatr’ izy ireo nanara-drindrina sy nifanaingina anefa ireo vary tamin’ny gony. Tsy hay, hoy ireo mpiara-monina, na mety hoe, tezitra izy mirahalahy, satria tsy navela hamonjy soratra tany Ambatondrazaka ny ny Alakamisy teo, antony nanaovany izao fihetsika izao.Gaga ny mpanjifa tonga hividy zavatra eo amin'izy ireo ny maraina fa nihidy be ilay tsena. Tonga ihany koa ny anabavin'ny iray, izay tompon-tsena sady mitantana tsena hafa eny Ambanidia fa mbola tsy nandrenesam-baovao.Voatery nodondonina ilay tsena noho izany saingy tsy nisy namaly. Voatery nopitsohana ilay toeram-pivarotana noho izany ka indro tokoa fa, ny tongotry ny iray sisa no hita nipoitra fa tototry ny vary be teo am-pandriana izy mirahalahy kely. Any Antanamalaza Ambatolampy moa no nalevina ny razana taorian’ny fitsirihana nataon’ny BMH sy ny polisy.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy roalahy kely namoy ny ainy (Sary nindramina)
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT