Actualités

Mana Madagasikara – Tiko Oil Product Mbola ny FAT no mihazona ny fanalahidiny


  • Alakamisy 31 Martsa 2011

Betsaka no mihevitra, indrindra taorian’ny resaka nivoaka an-gazety fa ny Tiko no ao ambadiky ny fanondranana an-tsokosoko menaka jirofo tao Toamasina, fa efa niverina eo am-pelatanan’ny Tiko SA ny orinasany roa miorina eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina dia ny Mana Madagascar Sarl sy ny Tiko Oil Product (TOP II) SA.

Mbola ny FAT amin’ny alalan’ny Adminisitrateur Délégué napetrany, Atoa Maharavo, no misahana ny fitantanana izany, miaraka amin’ny Emmo-Reg, zandary sy miaramila, napetraka izy ireo.

Raha iverenana ny tantara dia ny 07 aprily 2009 taorian’ny nanaovan’ny FAT vaky bantsilana, ny hetra tsy naloan’ny orinasa Tiko SA, nataon’ny praiministra teo aloha Monja Roindefo sy ny ministry ny vola sy ny teti-bola tamin’izany ary ireo ekipan’ny prezidansa izay mpanomana ity «hetsika fampirantiana hafa kely» ity niainga avy ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ary nampitaina mivantana tamin’ny haino amanjerim-panjakana ka tamin’izay no namoahan’ny FAT ilay didim-panjakana mametraka io Administrateur Délégué io. Niaka-nidina teny amin’ny fitsarana na teto Antananarivo izany na tao Toamasina ny raharaha Tiko SA nanomboka teo satria tsy nanaiky lembenana ity farany. Nifamaliana ny famoahana “ordonnance” teo anivon’ny fitsarana, teo koa ny teny midina sy ireo taratasy niainga eny amin’ny ministeran’ny fitsarana, izay Razanamahasoa Christine mihitsy no mpanao sonia, manakana ny fampiharana ny didim-pitsarana raha mba mandresy noho ny fahamarinany ny Tiko SA.

Nosakanana

Maro ireo didy nivoaka nandritra izay roa taonan’ny krizy ka nanagejana ny fananan-dRavalomanana tao Toamasina izay, fa sombiny sy tena nisongadina ireto tanisaina ireto. Teo ny “ordonnance” laharana 9467 ny 02 novambra 2009 teo anivon’ny fitsarana ady maika teto Antananarivo, izay didy nanome rariny ny Tiko SA haka sy hitantanana ny fananany, satria nahatsapa ny filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany (TPI) Antananarivo fa rariny ny fitoriana ary efa nihoatra be lavitra ny voalaza fa trosa nananan’ny fanjakana tamin’ny Tiko ny vola nalainy tamin’ny famarotana ireo vary sy menaka ary lafarinina tao Toamasina. Na ny volana novambra 2009 aza no nivoahan’ny didy, dia ny 27 mey 2010 vao nampihatra ny didy ny Tiko noho ny fahataran’ny fivoahan’ny «grosse» teo anivon’ny fitsarana teto Antananarivo. Tsy niandry ela akory Razanamahasoa Christine, ministry ny fitsarana, fa ny andron’io 27 mey 2010 io ihany dia namoaka taratasy laharana 283/MJ/SP/10 manakana ny fanatanterahana ny didy noho ny «antony ara-pilaminana» (?). Ny 02 jona 2010 koa dia nisy ny taratasy manaraka laharana 287/MJ/SP/10 manitsy ny voalazan’ilay taratasy 283/MJ/SP/10 noho ny fahamaikana ka nahitana fahadisoana teo amin’ny laharan’ny didim-pitsarana tsy azo tanterahina. Io 02 jona 2010 io koa no nampiakatra «assignation de bref délais» ny ministeran’ny fitsarana, nefa nolavin’ny filoha voalohany ny fitsarana ambony (PPCA) Antananarivo izany tamin’ny didy laharana 113 ny 07 jolay 2010, ka manome rariny ny Tiko SA haka ny fananany sy hanarina ny orinasany araka ilay didy lah : 9467.

Na teo aza io fandresen’ny Tiko Sa ka ahafahany mandray an-tanana ny fananany io, dia misy hatrany ny teny midina sy taratasy milatsaka tampoka ataon’ny ministry ny fitsarana. Raha hanatanteraka ny didy navoakan’ny PPCA manome rariny ny mpitantana ny Tiko SA sy ny mpisolovavany, dia nisy ny taratasy nataon’ny ministeran’ny fitsarana laharana 488-MJ/SP/10 ny 12 aogositra 2010 izay nohamafisin’ny PGCA ny fitsarana ambony Toamasina laharana 394/PGCA/TOA/10, milaza fa «manakorontana ny fiarahamonina ny fanomezana ny Tiko ny orinasany». Noho io taratasy io, dia eo am-pelatanan’ny FAT hatrany amin’ny alalan’ny Administrateur Délégué izay napetrany ny Mana Madagasikara sy ny TOP II Toamasina. Nakan’izy ireo vaditany koa aza nanidy ny orinasa sy nanao fanaraha-maso ny zava-nisy tao anatiny, ary mbola

 manakarama mpiambina ao amin’ireo orinasa roa ireo.

Vokatr’ireo didy nivoaka ireo, nefa toherin’ny ministeran’ny fitsarana hatrany ny fanatanterahana azy, dia tsy nitsahatra ny namoaka filazana sy fanambarana ny Tiko SA fa tsy tompon’andraikitra amin’izay zava-misy ao amin’ny Mana Madagascar Sarl sy ny TOP II SA ny Tiko, na teo amin’ny fahasalamana tamin’ny fangalarana ny menaka efa simba izany, na tamin’ireo varimbazaha efa lo sy lanin’ny biby mbola misy mamoaka, ary ny zava-mitranga ao amin’ny orinasa sy izay ataon’ireo olon’ny FAT miasa ao ireo.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT