Nambaran’ny minisitry ny harena ankibon’ny tanin’ny FAT Mamy Ratovomalala ampahibemaso tetsy Anosikely omaly nanoloana an’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ary narahin’ny besinimaro nivantana tamin’ny RNM sy TVM fa «tsy voafehintsika ankehitriny ny fitrandrahana volamena».
Vitsy dia vitsy, hoy izy ny manao fanambarana amin’izay vokatra azony rehefa nantsoina hanao izany ny mpitrandraka rehetra tsy an-kanavaka. Tsy nisy fanambarana voaray mihitsy tany amin’ny ladoany rehefa natao ny fanaraha-maso. Raha izany dia mivoaka an-tsokosoko daholo ny volamena eto amintsika. Nampitomboina ho 20 ny isan’ny «police des mines» raha 8 monja ry zareo hatramin’izay. Nisy vokany izany fa nisy ireo volamena voatery nalaina tamin’ny tompony noho io tsy fanaovana fanambarana io. Nomarihan’Ingahy minisitra koa fa maro ny fahazoan-dalana eny an-tanan’ny olona tsy manana fahaiza-manao amin’ny fitrandrahana akory. Hisy ny fanavaozana hatao ny amin’izany ka hanaovana tolobidy vaovao ny amin’ireo fahazoan-dalana ireo. Nomarihiny koa fa 4% monja ny fiantraikan’ny vokatry ny harena an-kibon’ny tany amin’ny harin-karem-pirenena faobe ka izany no anton’ny nanaovana fanadiovana mba hanavahana ny vary sy tsiparifary. Mbola miato ny fanomezana fahazoan-dalana vaovao hatreto nefa tsy ho ela dia hosokafana indray izany. Tsetsatsetsa tsy aritra no nilazan’i Mamy Ratovomalala fa misy olona iray manana 108.000 carreaux (625m x 625m), izany hoe efa hitovitovy amin’ny 67 ha eo amin’ity fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.