Actualités

Mamy Rakotoarivelo Nisy «Commission rogatoire» nilatsaka ?


  • Alarobia 23 Martsa 2011


Araka ny vaovao mahakasika ity raharaha ity dia misy ny «Commission rogatoire» nataon’ireo misahana ny fanadihadiana. Izany hoe, raha mitombina tokoa izay, dia hisy ampahany amin’ny fanadihadiana na koa ny fanadihadiana manontolo mihitsy no hiova vondrona ny fanatontosana azy. Tsy mbola fantatra aloha ny momba izay amin’izao fotoana. Na izany aza anefa, ny fahelan’ny fanadihadiana izay mandeha dia mety hitombina ihany ny fisian’io famindrana tanana ny fahefana amin’ny fanadihadiana io.

Tsotra ihany ny mety ho antony dia ny tsy fahitana porofo mivaingana sy azo tsapain-tanana mba hitazonana sy hitondrana eo anoloan’ny fitsarana an’i Mamy Rakotoarivelo sy ny olony telo. Hatreto mantsy dia tsy misy afa tsy ny fihainoana an’i Tsimba sy Misa aloha no antony hitazonana an’io mpanao politika io sy ny ekipany. Azo heverina ihany koa fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fanadihadiana raha toa ka tena mitombina ny fisian’ny «Commission rogatoire» izay hanetsehana vondrona mpanadihady hafa. Dia mbola hitohy hatrany aloha izany ny fitazonana an’i Mamy Rakotoarivelo sy ny olony eo anivon’ny BC sy ny Commissariat Central

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT