Actualités

Mamy Rakotoarivelo Navoaka omaly rehefa tapitra ny 15 andro


  • Alarobia 30 Martsa 2011

Mitombina tsara ny tombatomban’ny maro. Notaperin’ny DST tanteraka ilay 15 andro dia navotsotra i Mamy Rakotoarivelo.

Omaly izy no natolotra ny Fampanoavana ary nomena fahafahana vonjimaika raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny DST. Tsy mbola fantatra kosa aloha, satria nifanandrify tanteraka tamin’ny 29 martsa hany ka somary takona ny raharaha, ny datin’ny fitsarana azy. Raha amin’ny lafiny ara-politika ny hijerena azy dia hita fa navotsotra amin’izay izy rehefa vita ny fametrahana ny governemantan’ny FAT. Na tsy dia nanana faniriana loatra ny ho mpikambam-panjakana aza ny tenany, raha ny fijery azy ivelany, dia hita fa nanelingelina ny fitondrana izay nilaza ny hivelatra amin’izay mba ho tetezamita iaraha-mitantana ny fijerena azy eo amin’ny manodidina eo.

Marobe ny tsy fanarahan-dalàna izay natsikafon’ny mpisolovava azy tamin’ity fanadihadiana ity. Anisan’ny tena nisongadina tamin’izany ny tsy fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana. Omaly dia navoaka, na dia vonjimaika ihany aza, ity Sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara sady mpiara-mitarika ny ankolafy Ravalomanana ity. Nifanandrify indrindra tamin’ny fankalazana ny…tolom-panafahana izany, eny fa na dia nofidiana aza io andro io mba nitondrana tsimoramora an’i Mamy Rakotoarivelo tetsy Anosy…

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT