Anisan’ny distrika tena mpamokatra voamaina betsaka indrindra i Mampikony sy Port Bergé any amin’ny Faritra Sofia.
Mahatratra 25.000 taonina isan-taona mantsy ny voanemba vokarin’izy ireo miaraka amin’ny tsaramaso. Ny olana anefa, ny ampahan’ireo vokatra ireo ihany no misy mpandraharaha maka fa ny ankoatra izay dia tavela fotsiny any an-toerana ka miteraka fatiantoka ho an’ireo tantsaha mpamokatra. Mba hahafahana mitady lalam-barotra hafa sy manondrana ireo karazam-bokatra ireo mankany ivelany ary dia hotanterahina any Mampikony ny 22 ka hatramin’ny 24 jolay ho avy izao ilay tsenan’ny fandraharahana antsoina hoe : Ankolagny andiany fahefatra. Manodidina ny 60 isa ireo tranoheva handray anjara amin’izany hampiranty ny vokatry ny asa tanany, ny fiompiana toy ny akoho amam-borona. Ankoatra ny fampahafantarana ny karazam-bokatra rehetra misy any amin’ity distrika ity moa dia hararaotina mandritra ireo telo andro ireo ihany koa ny fampihaonana ireo mpamokatra amin’ny sehatr’asa madinika amin’ireo mpandraharaha namana hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.