Mampihorohoro ny Al Qaida

> Nakaton’ny Amerikana ny ambasadiny eto Madagasikara


  • Talata 06 Aogositra 2013


Hiatrehana ny asa fampihorohoroana hataon’ny Al Qaida ato ato any amin’ireo firenena arabo sady silamo dia nanapa-kevitra ny parlemantera amerikana fa tohizana herinandro ny fanakatonana ireo masoivoho amerikana miisa 19 any amin’ny faritr’i Moyen Orient sy Afrika Avaratra. Ity manko no fampitandremana tena matotra momba ny asa fampihorohoroan akasain’ny Al Qaida atao. Tany am-piandohana dia 21 ireo masoivoho amerikana nakatona ho an’ny tamin’ny alahady saingy efa nosokafana ny tao Kaboul, Bagdad ary Alger. Nampidirin’ny fanjakana amerikana ho isan’ireo firenena ahiana hisian’izay asa fampihorohoroana izay ny eto Madagasikara ka nampidirina ao anaty lisitra i Madagasikara, miampy an’i Burundi, Rwanda ary Mauritanie. Amin’ity volana aogositra ity no mety hitrangan’izany asa ratsy izany, araka ny vaovao maripototra azon’ny amerikana. Hatramin’ny 10 aogositra izao izany dia mikatona ny masoivohon’i Etazonia any Abou Dhabi, Amman, Caire, Ryad, Dhahran, Djeddah (Arabie Saoudite), Doha, Dubaï, Koweït, Manama, Mascate, Sanaa, Tripoli, eto Antananarivo, Bujumbura, Djibouti, Khartoum, Kigali ary Port-Louis.

ANA

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT